2 Corinthians 10:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka hitory ny Filazantsara any ivelan’ny faritra misy anareo, mba tsy hireharehanay amin’ny asa efa vitan’ny hafa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka hitory ny Evanjely any an-koatry ny faritaninareo koa aza amin’izany; nefa tsy hihoatra any amin’ny anjaran’ny sasany, ka hirehareha amin’ny asan’ny sasany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ireo faritany ivelan’ny anareo izahay, ka tsy hirehareha amin’izay efa vitan’ny sasany eo amin’ny faritra sahaniny.
Malagasy Bible 1865
ka hitory ny filazantsara amin'ny tany any ankoatranareo, ary tsy hirehareha amin'izay efa vonona rahateo ao anatin'ny voafaritra ho an'ny sasany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka hitory ny Filazantsara any ivelan’ny faritra misy anareo, mba tsy hireharehanay amin’ny asa efa vitan’ny hafa.
malagasy
ka hitory ny filazantsara amin'ny tany any ankoatranareo, ary tsy hirehareha amin'izay efa vonona rahateo ao anatin'ny voafaritra ho an'ny sasany.