2 Corinthians 10:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miangavy anareo aho: Aoka mba tsy ho amin’ny fahasahiana no hanehoako ny fahatokiako raha tonga aho; fa izany fahasahiana izany no kasaiko haseho amin’ny sasany izay milaza anay ho mandeha araka ny nofo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka re aho mba tsy ho voatery ho sahy tokoa rehefa tonga; fa lalina loatra anie izato fikasako hanampatra fahasahiana amin’ny olona sasany izato e, dia amin’ireo manao anay ho mandeha ara-batana!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
aoka re aho mba tsy ho voatery hanao teny henjana amin’ny hahatongavako atỳ aminareo; fa mikasa hihenjana amim-pahasahiana tokoa aho amin’ny olona sasany, izay mihevitra fa manao fitondrantena araka ny fisainan’olombelona izahay.
Malagasy Bible 1865
Dia mangataka aho mba tsy ho sahy, rehefa tonga, amin'ny fahatokiana izay kasaiko hahasahiana amin'ny sasany, izay manao anay ho mandeha araka ny nofo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia mangataka aho mba tsy ho sahy, rehefa tonga, amin'ny fahatokiana izay kasaiko hahasahiana amin'ny sasany, izay manao anay ho mandeha araka ny nofo.