2 Corinthians 10:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mijery zavatra araka ny fisehony ihany ianareo. Raha misy olona matoky tena fa an’i Kristy dia aoka izy hisaintsaina izao indray: Fa tahaka ny maha an’i Kristy azy, no maha an’i Kristy anay koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dinihonareo tsara izay hitan’ny masonareo. Raha misy manao azy ho an’i Kristy, aoka izy handinika ao am-pony fa tahaka ny maha an’i Kristy azy no maha an’i Kristy anay koa;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mijery zavatra araka ny fisehony ivelany ihany ianareo! Raha misy olona matoky tena fa an’i Kristy, dia izao indray no aoka hosaintsaininy: tahaka ny maha an’i Kristy azy no maha an’i Kristy anay koa.
Malagasy Bible 1865
Mijery zavatra araka ny fisehony ihany va ianareo? Raha misy olona matoky ny tenany fa an'i Kristy, aoka izay hisaintsaina izao indray, fa tahaka ny mah'an'i Kristy azy no mah'an'i Kristy anay koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mijery zavatra araka ny fisehony ihany ianareo. Raha misy olona matoky tena fa an’i Kristy dia aoka izy hisaintsaina izao indray: Fa tahaka ny maha an’i Kristy azy, no maha an’i Kristy anay koa.
malagasy
Mijery zavatra araka ny fisehony ihany va ianareo? Raha misy olona matoky ny tenany fa an'i Kristy, aoka izay hisaintsaina izao indray, fa tahaka ny mah'an'i Kristy azy no mah'an'i Kristy anay koa.[Na: Mijery zavatra araka ny fisehony ihany ianareo]