2 Corinthians 11:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Averiko indray: Aza misy milaza ahy ho adala; nefa, na dia misy milaza izany aza, raiso toy ny adala aho mba hireharehako kely koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy indray aho: aza misy manao ahy ho adala; tsy maninona anefa, raiso toy ny adala ihany aho, raha sitrakareo, mba hahazoako mirehareha kelikely koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Antitranteriko ihany: aoka tsy hisy hanao ahy ho adala! Kanefa raha izany no iheveranareo ahy, dia raiso toy ny adala aho, mba hahazoako mirehareha kely koa.
Malagasy Bible 1865
Hoy izaho indray: Aza misy manao ahy ho adala; nefa, na dia misy manao izany aza, raiso toy ny adala aho mba hireharehako kelikely koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Averiko indray: Aza misy milaza ahy ho adala; nefa, na dia misy milaza izany aza, raiso toy ny adala aho mba hireharehako kely koa.
malagasy
Hoy izaho indray: Aza misy manao ahy ho adala; nefa, na dia misy manao izany aza, raiso toy ny adala aho mba hireharehako kelikely koa.