2 Corinthians 11:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mpanompon’i Kristy va izy? Miteny toy ny olona very saina aho, izaho koa dia mpanompon’i Kristy mihoatra noho izy ireo: Amin’ny fisasarana, manan-tombo; amin’ny tranomaizina, matetika kokoa; amin’ny kapoka be, efa izay tsy izy; misedra ny fahafatesana matetika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mpandraharahan’i Kristy va izy? hiteny toy ny olona very saina aho, eny mihoatra noho izy aho amin’izany, dia amin’ny fisasarana manan-tombo, amin’ny tranomaizina manan-tombo, amin’ny kapoka manan-tombo lavitra, amin’ny fahafatesana matetika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mpanompon’i Kristy ve izy ireo? Hiteny toy ny very saina aho: eny, mpanompon’i Kristy koa aho, ary mihoatra noho izy ireo; fa nisasatra mafy kokoa aho, natao am-ponja matetika kokoa, nokapohina bebe kokoa, tambavahoana imbetsaka kokoa.
Malagasy Bible 1865
Mpanompon'i Kristy va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin'ny fisasarana manan-tombo, amin'ny tranomaizina matetika kokoa, amin'ny kapoka be efa izay tsy izy, amin'ny fahafatesana matetika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mpanompon’i Kristy* va izy? Miteny toy ny olona very saina aho, izaho koa dia mpanompon’i Kristy mihoatra noho izy ireo: Amin’ny fisasarana, manan-tombo; amin’ny tranomaizina, matetika kokoa; amin’ny kapoka be, efa izay tsy izy; misedra ny fahafatesana matetika.
malagasy
Mpanompon'i Kristy va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin'ny fisasarana manan-tombo, amin'ny tranomaizina matetika kokoa, amin'ny kapoka be efa izay tsy izy, amin'ny fahafatesana matetika.