2 Corinthians 11:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa matahotra aho, fandrao ho simba hiala amin’ny fahatsoram-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy ny sainareo, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny hafetseny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Matahotra anefa aho fandrao ny sainareo very hadiovana amam-pahitsiam-po amin’i Kristy, toy ny namitahan’ny bibilava an’i Eva tamin’ny hafetsen-dratsiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Saingy atahorako fandrao hihasimba ny toe-tsainareo, ka hilaozanareo ny firaiketam-po mahitsy sy madio amin’i Kristy, tahaka ny nahavoafitaka an’i Eva tamin’ny lainga tsara lahatra nataon’ny bibilava.
Malagasy Bible 1865
Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin'ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin'i Kristy, tahaka ny namitahan'ny menarana an'i Eva tamin'ny fihendreny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa matahotra aho, fandrao ho simba hiala amin’ny fahatsoram-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy ny sainareo, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny hafetseny.
malagasy
Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin'ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin'i Kristy, tahaka ny namitahan'ny menarana an'i Eva tamin'ny fihendreny.