2 Corinthians 11:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha misy olona tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na mandray fanahy hafa na Filazantsara hafa noho izay noraisinareo, dia mandefitra amin’izany ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha ohatra ka ireo vahiny tonga ao aminareo no hitory Jesoa hafa noho izay notorinay, na ianareo no handray Fanahy hafa noho izay noraisinareo, na Evanjely hafa izay tsy noraisinareo, dia ho rariny angaha ny handeferanareo aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, leferinareo tsara raha misy olona tonga mitory Jesoa hafa noho ilay Jesoa notorînay; ary ianareo toa vonon-kandray fanahy hafa noho ilay Fanahy Masina efa azonareo, na vonon-kandray vaovao mahafaly hafa noho ilay Vaovao Mahafaly efa noraisinareo.
Malagasy Bible 1865
Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin'izany!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha misy olona tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na mandray fanahy hafa na Filazantsara hafa noho izay noraisinareo, dia mandefitra amin’izany ianareo.
malagasy
Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin'izany!