2 Corinthians 11:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha teo aminareo aho ka azon’ny tsy fahampiana dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa ny rahalahy izay tonga avy tany Makedonia no nanome ahy izay nilaiko; ary tamin’ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nitoetra tany aminareo aho, na dia tsy nanana aza, dia tsy mba namaky tratra olona, fa ny havana iray finoana avy any Masedônia no nanome izay nilaiko. Notandremako mihitsy izay tsy hahavaky tratra anareo, ary mbola hotandremako koa aza izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fony teo aminareo aho, dia tsy nanahirana na iza na iza raha nisy zavatra nilaiko, satria ireo havana kristianina avy any Masedônia no nanome ahy ny zavatra nilaiko; ary tamin’ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hanahirana anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany.
Malagasy Bible 1865
Fa raha nitoetra teo aminareo aho ka tsy nanana, dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa raha vao tonga avy tany Makedonia ny rahalahy, dia nomeny ahy izay nilaiko; ary tamin'ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha teo aminareo aho ka azon’ny tsy fahampiana dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa ny rahalahy izay tonga avy tany Makedonia no nanome ahy izay nilaiko; ary tamin’ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany.
malagasy