2 Corinthians 12:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa ela izay no niheveranareo fa miaro tena eo aminareo izahay. Eo anatrehan’Andriamanitra no itenenanay ao amin’i Kristy; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho fampandrosoana anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Heverinareo angamba fa fialan-tsiny hatrany no lazainay aminareo. Ehe, eo anatrehan’Andriamanitra sy ao amin’i Kristy no itenenanay; ary fanasoavana ny fanahinareo avokoa ny zavatra rehetra lazainay, ry malala.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Heverinareo angamba fa miaro tena hatrany izahay eo imasonareo. Tsia! Araka ny sitrapon’i Kristy no itenenanay eo anatrehan’Andriamanitra; ka lazainay aminareo, ry hava-malala, fa izay rehetra izany dia hampandrosoana anareo amin’ny finoana.
Malagasy Bible 1865
Efa ela izay no nanaovanareo anay ho miala tsiny aminareo. Eo anatrehan'Andriamanitra no itenenanay ao amin'i Kristy; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho fampandrosoana anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa ela izay no niheveranareo fa miaro tena eo aminareo izahay. Eo anatrehan’Andriamanitra no itenenanay ao amin’i Kristy*; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho fampandrosoana anareo.
malagasy
Efa ela izay no nanaovanareo anay ho miala tsiny aminareo. Eo anatrehan'Andriamanitra no itenenanay ao amin'i Kristy; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho fampandrosoana anareo.