2 Corinthians 12:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mahafantatra olona iray ao amin’i Kristy aho, tokony ho efatra amby folo taona lasa izay, na tao amin’ny tena, na tsy tao amin’ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala, fa ilay olona iray dia nakarina ho any amin’ny lanitra fahatelo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Misy olona anankiray fantatro ao amin’i Kristy, efa efatra ambin’ny folo taona lasa izay, nakarina hatrany amin’ny lanitra fahatelo; Tsy fantatro na tao amin’ny vatana na tsy tao amin’ny vatana izany: Andriamanitra no mahalala.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fantatro fa tokony ho 14 taona lasa izay, dia nisy kristianina anankiray nakarina tany amin’ny lanitra fahatelo. (Asa moa raha nakarina tokoa izy na nisehoam-pahitana fotsiny, Andriamanitra no mahalala.)
Malagasy Bible 1865
Mahalala olona anankiray ao amin'i Kristy aho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa izay - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra fahatelo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mahafantatra olona iray ao amin’i Kristy* aho, tokony ho efatra amby folo taona lasa izay, na tao amin’ny tena, na tsy tao amin’ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala, fa ilay olona iray dia nakarina ho any amin’ny lanitra fahatelo.
malagasy
Mahalala olona anankiray ao amin'i Kristy aho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa izay - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra fahatelo.