2 Corinthians 12:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa matahotra aho, fandrao rehefa tonga aho dia tsy araka izay tiako no hahitako anareo, ary tsy araka izay tianareo no hahitanareo ahy; fandrao hisy fifandirana, fialonana, fahatezerana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fifosana, fieboeboana, fikitranana;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no atahorako: raha avy izay hahatongavako, sao dia tsy ho araka ny tiako no ahitako anareo; ary noho izany sao dia tsy ho araka ny tianareo koa no ahitanareo ahy. Sao dia fifandirana, fifampiandaniana, lolom-po, fifanoherana, fifosana, fanendrikendrehana, fiavonavonana, fikotranana no hitako aminareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Atahorako manko fandrao, rehefa tonga aho, dia tsy araka izay tiako no hahitako anareo, ary tsy araka izay tianareo koa no hahitanareo ahy. Atahorako fandrao hisy fifandirana, fifampialonana, fahatezerana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fanendrikendrehana, fieboeboana, ary fisavorovoroana.
Malagasy Bible 1865
Fa matahotra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahita anareo ho toy izay tsy tiako, ary ho hitanareo aho ho toy izay tsy tianareo; fandrao hisy fifandirana, fialonana, fiafonafonana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fibitsibitsihana, fieboeboana, fikotranana, -
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa matahotra aho, fandrao rehefa tonga aho dia tsy araka izay tiako no hahitako anareo, ary tsy araka izay tianareo no hahitanareo ahy; fandrao hisy fifandirana, fialonana, fahatezerana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fifosana, fieboeboana, fikitranana;
malagasy
Fa matahotra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahita anareo ho toy izay tsy tiako, ary ho hitanareo aho ho toy izay tsy tianareo; fandrao hisy fifandirana, fialonana, fiafonafonana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fibitsibitsihana, fieboeboana, fikotranana, -eny, fandrao, rehefa tonga indray aho, dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary izaho hanana alahelo amin'ny maro izay nanota teo aloha ka tsy mbola nibebaka tamin'ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana nataony.