2 Corinthians 12:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
eny, fandrao rehefa tonga indray aho dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary halahelo ny maro izay nanota teo aloha aho, dia ireo izay tsy mbola nibebaka tamin’ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fanaranam-po nataony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sao ity aho tonga any aminareo, ka aetrin’ny Andriamanitro indray noho ny aminareo, dia ho latsa-dranomaso noho ireo mpanota maro mbola tsy ho nibebaka tamin’ny fahalotoana amam-pijangajangana ary fijejojejoana nataony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Atahorako fandrao, amin’izao fahatongavako izao, dia hampietry ahy eo anatrehanareo ilay Andriamanitro; ka hitomany aho, noho ny maro izay nanota teo aloha nefa mbola tsy niala tamin’ny fahalotoana sy fijangajangana ary fihetsika tsy maotina fanaony.
Malagasy Bible 1865
eny, fandrao, rehefa tonga indray aho, dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary izaho hanana alahelo amin'ny maro izay nanota teo aloha ka tsy mbola nibebaka tamin'ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana nataony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
eny, fandrao rehefa tonga indray aho dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary halahelo ny maro izay nanota teo aloha aho, dia ireo izay tsy mbola nibebaka tamin’ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fanaranam-po nataony.
malagasy