2 Corinthians 13:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa nambarako fahiny sady mbola milaza rahateo koa aho izao, toy ny nataoko fony teo aminareo fanindroany ihany; ary ankehitriny, raha tsy eo kosa aho fa amin’izay nanota teo aloha sy amin’ny sisa rehetra dia tsy hanam-piantrana aho rehefa tonga indray,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa voalazako, fony aho tany aminareo fanindroany sady averiko rahateo indray, amin’izao maha-tsy eo aminareo ahy izao, fa rehefa tafaverina amin’izao aho, dia tsy hananako antra intsony ireo nanota teo aloha sy ny sisa rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izao hahatongavako izao àry, dia tsy hananako antra intsony ireo nanota teo aloha sy ny hafa rehetra: efa voalazako izany fony aho tany aminareo fanindroany, nefa dia antitranteriko ankehitriny amin’izao aho tsy atỳ aminareo izao.
Malagasy Bible 1865
Efa nambarako fahiny, sady milaza rahateo koa aho - toy ny nataoko fony mbola teo aminareo fanindroany ihany, ary ankehitriny raha tsy eo kosa - amin'izay nanota teo aloha sy amin'ny sisa rehetra, fa rehefa tonga indray aho, dia tsy hiantra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa nambarako fahiny sady mbola milaza rahateo koa aho izao, toy ny nataoko fony teo aminareo fanindroany ihany; ary ankehitriny, raha tsy eo kosa aho fa amin’izay nanota teo aloha sy amin’ny sisa rehetra dia tsy hanam-piantrana aho rehefa tonga indray,
malagasy