2 Corinthians 13:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
satria mitady famantarana ianareo fa miteny ato anatiko Kristy izay tsy malemy aminareo fa mahery ao aminareo kosa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria tadiavinareo rahateo ny hahitana famantarana fa miteny ato anatiko i Kristy, dia Izy izay tsy nalemy aminareo, fa vao mainka manan-kery aza hamay ao aminareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tadiavinareo ny hahitana porofo fa i Kristy no miteny ato anatiko; ka tsy fahalemena no ampiharin’i Kristy aminareo, fa hery no asehony eo anivonareo.
Malagasy Bible 1865
satria ianareo mitady famantarana fa miteny ato anatiko Kristy, Izay tsy malemy aminareo, fa mahery ao aminareo kosa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
satria mitady famantarana ianareo fa miteny ato anatiko Kristy* izay tsy malemy aminareo fa mahery ao aminareo kosa.
malagasy
satria ianareo mitady famantarana fa miteny ato anatiko Kristy, Izay tsy malemy aminareo, fa mahery ao aminareo kosa.