2 Corinthians 2:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa isaorana anie Andriamanitra izay mitondra anay mandrakariva ao amin’i Kristy toy ny fanaon’izay avy nandresy ka ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hisaorana anie Andriamanitra Izay manome anay voninahi-pandresena mandrakariva ao amin’i Kristy Jesoa sy mitondra anay hanely ny hanitry ny fahalalana azy hatraiza hatraiza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa hisaorana anie Andriamanitra Izay mampiombona anay mandrakariva amin’ny fandresen’i Kristy. Ampiasain’Andriamanitra izahay hampiely amin’ny toerana rehetra ny fahalalana an’i Kristy, ho toy ny hanitra mamerovero hatraiza hatraiza.
Malagasy Bible 1865
Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin'i Kristy toy ny fanaon'izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa isaorana anie Andriamanitra izay mitondra anay mandrakariva ao amin’i Kristy* toy ny fanaon’izay avy nandresy ka ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay.
malagasy
Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin'i Kristy toy ny fanaon'izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay.