2 Corinthians 2:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tamin’ny haben’ny fahoriana sy ny alahelon’ny foko no nanoratako taminareo tamin’ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo manokana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eny, tamim-pahoriana lehibe, sy tamin’alahelo nahahontsa ny foko, ary tamin-dranomaso be no nanoratako taminareo, tsy ny mba hampalahelo anareo anefa, fa ny mba hahafantaranareo ny haben’ny fitiavako anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny fo ontsa sy ory fatratra ary tamin-dranomaso be no nanoratako taminareo, tsy hoe hampalahelo anareo fa mba hahafantaranareo izato haben’ny fitiavako anareo.
Malagasy Bible 1865
Fa tamin'ny haben'ny fahoriana sy ny alahelon'ny foko no nanoratako taminareo tamin'ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo indrindra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tamin’ny haben’ny fahoriana sy ny alahelon’ny foko no nanoratako taminareo tamin’ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo manokana.
malagasy