2 Corinthians 3:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa isika rehetra kosa dia amin’ny tava tsy misarona no ibanjinantsika ny voninahitry ny Tompo, tahaka ny amin’ny fitaratra, ka ovany hitovy endrika Aminy, avy amin’ny voninahitra ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa isika rehetra dia tsy mba voasaron-tava, fa mibanjina ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra; sady ovan’Izy Tompo izay fanahy, handray izany endrika izany sy hitombo fahazavana lalandava.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Isika rehetra kosa dia tsy mba misaron-tava, fa toy ny fitaratra tarafin’ny voninahitry ny Tompo; ka dia miova endrika hanahaka ny Tompo isika, sady mitombo hatrany ny famirapiratantsika, araka ny asa tontosain’ilay Fanahin’ny Tompo.
Malagasy Bible 1865
Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa isika rehetra kosa dia amin’ny tava tsy misarona no ibanjinantsika ny voninahitry ny Tompo, tahaka ny amin’ny fitaratra, ka ovany hitovy endrika Aminy, avy amin’ny voninahitra ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy.
malagasy
Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.[Na: Dia tahaka ny fitaratra tarafin'ny voninahitry ny Tompo]