2 Corinthians 3:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha ny asa fanompoan’ny fahafatesana aza, dia ilay voasoratra teo amin’ny vato, no nisy voninahitra ka tsy nahabanjina ny tavan’i Mosesy ny Zanak’Israely noho ny voninahitry ny tavany izay nandalo ihany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha ny fandraharaham-pahafatesana voasoratra tamin’ny vato aza nohodidinim-boninahitra, ka tsy nahabanjina ny tavan’i Môizy ny zanak’i Israely, noho ny famirapiratry ny voninahiny mandalo foana,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha natao sokitra teo amina takela-bato ny lalàna, dia niseho ny voninahitr’Andriamanitra; ary namirapiratra ny tavan’i Mosesy, ka tsy tantin’ny vahoaka Israely nobanjinina ny tavany, na dia namirapiratra nihelina ihany aza. Koa raha heni-boninahitra toy izany àry ny fanompoana teo amin’ny lalàna izay mitondra fahafatesana,
Malagasy Bible 1865
Fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, izay voasoratra teo amin'ny vato, no nisy voninahitra, ka ny Zanak'Isiraely tsy nahabanjina ny tavan'i Mosesy noho ny voninahitry ny tavany izay nihalevona,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha ny asa fanompoan’ny fahafatesana aza, dia ilay voasoratra teo amin’ny vato, no nisy voninahitra ka tsy nahabanjina ny tavan’i Mosesy ny Zanak’Israely noho ny voninahitry ny tavany izay nandalo ihany,
malagasy