2 Corinthians 4:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra ka tsy mandeha amin’ny hafetsena ratsy, na manatsatso ny tenin’Andriamanitra izahay; fa amin’ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin’ny fieritreretan’ny olona rehetra eo imason’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
sanatriavinay ny zava-mahamenatra atao an-katakonana; tsy mandeha an-kafetsena izahay, na manampoka ny tenin’Andriamanitra; fa asehonay tsotra izao ny marina, ka tonga mendrika hitokian’ny olon-drehetra eo anatrehan’Andriamanitra izahay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa nolavinay ny asa miafina mahamenatra, ka tsy manao zavatra amin-kafetsena izahay sady tsy manatsatso ny tenin’Andriamanitra; fa asehonay mazava tsara ny marina, ka eo imason’Andriamanitra dia tonga mendrika hitokian’ny fieritreretan’ny olona rehetra izahay.
Malagasy Bible 1865
Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin'ny fihendrena, na manatsatso ny tenin'Andriamanitra izahay; fa amin'ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin'ny fieritreretan'ny olona rehetra eo imason'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra ka tsy mandeha amin’ny hafetsena ratsy, na manatsatso ny tenin’Andriamanitra izahay; fa amin’ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin’ny fieritreretan’ny olona rehetra eo imason’Andriamanitra.
malagasy