2 Corinthians 4:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa manana izao rakitra izao ao anaty vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery fa tsy ho avy aminay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Siny tany anefa no itondranay izany rakitra izany, mba hiharihary fa avy amin’Andriamanitra ny halehiben’ny herin’ny Evanjely, fa tsy avy aminay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izahay mitondra izany raki-tsoa izany kosa dia toy ny vilany tany ihany, mba hahitana tsara fa izao hery tsy manan-tsahala izao dia an’Andriamanitra fa tsy anay.
Malagasy Bible 1865
Fa manana izao rakitra izao amin'ny vilany tany izahay, mba ho an'Andriamanitra ny halehiben'ny hery, fa tsy ho avy aminay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa manana izao rakitra izao ao anaty vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery fa tsy ho avy aminay.
malagasy
Fa manana izao rakitra izao amin'ny vilany tany izahay, mba ho an'Andriamanitra ny halehiben'ny hery, fa tsy ho avy aminay.