2 Corinthians 5:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisan’ny olona rehetra ny valin’izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy hiseho amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisantsika tsirairay avy izay tandrifin’ny asantsika fony mbola tao amin’ny vatana, na soa na ratsy izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
satria tsy maintsy hiseho eo anatrehan’i Kristy mba hotsarainy isika rehetra, ka handraisan’ny tsirairay avy ny tandrify azy araka izay nataony na tsara na ratsy fony mbola velona tao amin’ity vatana ity.
Malagasy Bible 1865
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin'ny fitsaran'i Kristy, mba handraisan'ny olona rehetra izay zavatra nataon'ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin'ny fitsaran'i Kristy, mba handraisan'ny olona rehetra izay zavatra nataon'ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy.