2 Corinthians 5:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa amin’izany, satria fantatray ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no resenay lahatra, fa amin’Andriamanitra kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary manantena aho fa voaseho ao amin’ny fieritreretanareo koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa noho ny fanananay fahatahorana ny Tompo no itadiavanay hampiaiky ny olona; fa Andriamanitra moa dia mahalala anay mazava, ary ianareo koa dia ataoko fa mahalala anay ao amin’ny kônsiansinareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fantatray ny atao hoe fahatahorana ny Tompo, ka miezaka hampanaiky ny olona izahay. Tena mahalala anay Andriamanitra, ary antenaiko fa mahalala ahy ao amin’ny fieritreretanareo koa ianareo.
Malagasy Bible 1865
Koa amin'izany, satria fantatsika ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no ampanekenay, fa amin'Andriamanitra, kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary manantena aho fa voaseho ao amin'ny fieritreretanareo koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa amin’izany, satria fantatray ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no resenay lahatra, fa amin’Andriamanitra kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary manantena aho fa voaseho ao amin’ny fieritreretanareo koa.
malagasy