2 Corinthians 5:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy midera tena aminareo akory izahay fa manome anareo izay hahazoanareo mirehareha ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin’ny miseho etỳ ivelany ihany fa tsy amin’ny ao am-po.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy midera tena aminareo izahay, fa manome anareo izay ho azonareo hararaotina mba hireharehanareo ny aminay, sy hahazoanareo mamaly izay mitady voninahitra amin’ny fisehoana fotsiny, fa tsy amin’ny ao am-po;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy hoe midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay hahazoanareo mirehareha ny aminay; ka dia mba hisy havalinareo ny olona mirehareha amin’ny zavatra eto ivelany fa tsy amin’ny zavatra ao am-po.
Malagasy Bible 1865
Tsy midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay ho reharehanareo ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin'ny miseho ihany, fa tsy amin'ny fo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy midera tena aminareo akory izahay fa manome anareo izay hahazoanareo mirehareha ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin’ny miseho etỳ ivelany ihany fa tsy amin’ny ao am-po.
malagasy
Tsy midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay ho reharehanareo ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin'ny miseho ihany, fa tsy amin'ny fo.[Gr. tava]