2 Corinthians 7:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, indro izany nampalahelovana anareo araka an’Andriamanitra izany indrindra dia nahatonga fahazotoana fatratra tao aminareo! Eny, fialan-tsiny manao ahoana! Fahatezerana manao ahoana! Fahatahorana manao ahoana! Faniriana manao ahoana! Hafanam-po manao ahoana! Famaliana ny ratsy natao manao ahoana! Tamin’izany rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin’izany raharaha izany ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary akory izato vokatr’izany alahelonareo araka an’Andriamanitra izany! Fa he izato fahazotoana tongany aminareo! endrey izany fanamarinana ny tenanareo! Eny, fahatezerana re izany! tahotra re izany! faniriana re izany! zotom-po re izany! famaizana re izany! Fatratra mihitsy ny nampisehoanareo fa nadio ianareo ny amin’izany raharaha izany!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jereo tokoa ny vokatr’izany alahelo araka an’Andriamanitra izany teo aminareo: He izato fahazotoana hanova ny toe-javatra! He izato ezaka hanala tsiny ny tenanareo! He izato fahatezerana noho ny zava-nitranga! He izato tahotra ny famaizan’Andriamanitra! He izato faniriana hihaona amiko indray! He izato zotompo hanaiky ahy! He izato finiavana hanafay ny ratsy! Izany rehetra izany no nampisehoanareo fa tsy misy tsininareo mihitsy amin’iny raharaha iny.
Malagasy Bible 1865
Fa, indro, izany nampalahelovana araka an'Andriamanitra izany indrindra dia nahatonga fahazotoana manao ahoana teo aminareo! eny, fialan-tsiny manao ahoana! fahatezerana manao ahoana! fahatahorana manao ahoana! faniriana manao ahoana! zotom-po manao ahoana! famaliana ny ratsy natao manao ahoana! Tamin'izany rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin'izany raharaha izany ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, indro izany nampalahelovana anareo araka an’Andriamanitra izany indrindra dia nahatonga fahazotoana fatratra tao aminareo! Eny, fialan-tsiny manao ahoana! Fahatezerana manao ahoana! Fahatahorana manao ahoana! Faniriana manao ahoana! Hafanam-po manao ahoana! Famaliana ny ratsy natao manao ahoana! Tamin’izany rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin’izany raharaha izany ianareo.
malagasy