2 Corinthians 7:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa na dia nanoratra taminareo aza aho dia tsy noho izay nahavita ny tsy marina, na noho izay niaritra ny tsy marina, fa mba hanehoana aminareo eo anatrehan’Andriamanitra ny hafanam-ponareo aminay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa raha nanoratra taminareo aho, dia tsy noho ilay nanisy ratsy, na noho ilay nasian-dratsy, fa ny mba hihariharian’ny fahazotoanareo hahafa-po anay eo anatrehan’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa raha nanoratra taminareo aho, dia tsy noho ilay nahavita ratsy na noho ilay nasian-dratsy; nanoratra taminareo aho mba hampiharihary aminareo fa eo anatrehan’Andriamanitra dia mazoto hanaiky ahy ianareo.
Malagasy Bible 1865
Koa na dia nanoratra taminareo aza aho, dia tsy noho ny nanao izay tsy marina, na noho ny niaritra izay tsy marina, fa mba haseho aminareo eo anatrehan'Andriamanitra ny fahazotoanareo hanaiky anay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa na dia nanoratra taminareo aza aho dia tsy noho izay nahavita ny tsy marina, na noho izay niaritra ny tsy marina, fa mba hanehoana aminareo eo anatrehan’Andriamanitra ny hafanam-ponareo aminay.
malagasy
Koa na dia nanoratra taminareo aza aho, dia tsy noho ny nanao izay tsy marina, na noho ny niaritra izay tsy marina, fa mba haseho aminareo eo anatrehan'Andriamanitra ny fahazotoanareo hanaiky anay.