2 Corinthians 7:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary vao mainka miraiki-po aminareo aza izy raha mahatsiaro ny fankatoavanareo rehetra, dia ny haben’ny fahatahorana sy fanajana nandraisanareo azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha mahatsiahy ny nanekenareo azy izy, sy ny nandraisanareo azy tamin-tahotra aman-kovitra lehibe, dia vao mainka tsaroany miraikitra mafy aminareo ny fony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao mainka nitombo ny fankamamian’i Tito anareo, rehefa tsaroany fa vonon-kanoa ianareo rehetra, sady tamin-tahotra sy hovitra tokoa no nandraisanareo azy.
Malagasy Bible 1865
Ary vao mainka miraikitra aminareo aza ny fony, raha mahatsiaro ny fanarahanareo rehetra izy, dia ny haben'ny fahatahorana sy ny fangovitana nandraisanareo azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary vao mainka miraiki-po aminareo aza izy raha mahatsiaro ny fankatoavanareo rehetra, dia ny haben’ny fahatahorana sy fanajana nandraisanareo azy.
malagasy
Ary vao mainka miraikitra aminareo aza ny fony, raha mahatsiaro ny fanarahanareo rehetra izy, dia ny haben'ny fahatahorana sy ny fangovitana nandraisanareo azy.Ary faly aho fa matoky anareo amin'ny zavatra rehetra.