2 Corinthians 7:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa na dia efa tonga tany Makedonia aza izahay dia tsy nisy niainan’ny nofonay, fa nampahorina tamin’ny zavatra rehetra izahay: Teo ivelany, ady; tao anatiny, tahotra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hatramin’ny nahatongavanay tany Masedônia, dia tsy nisy hiainan’ny nofonay, fa nozoin’izao fahoriana rehetra izao izahay: dia ady teo ivelany, sy tahotra tato anatiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na dia tonga tany Masedônia tokoa aza izahay, dia tsy nisy hilaminanay mihitsy, fa nifandafaram-pahoriana izahay: teo ivelany, nisy ady namelezana anay; tao anatinay, nisy tahotra.
Malagasy Bible 1865
Fa na dia efa tonga tany Makedonia aza izahay, dia tsy hiainan'ny nofonay, fa nampahorina tamin'ny zavatra rehetra: teo ivelany nisy ady, tao anatiny nisy tahotra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa na dia efa tonga tany Makedonia aza izahay dia tsy nisy niainan’ny nofonay, fa nampahorina tamin’ny zavatra rehetra izahay: Teo ivelany, ady; tao anatiny, tahotra.
malagasy
Fa na dia efa tonga tany Makedonia aza izahay, dia tsy hiainan'ny nofonay, fa nampahorina tamin'ny zavatra rehetra: teo ivelany nisy ady, tao anatiny nisy tahotra.