2 Corinthians 8:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ambarako izay hevitro ny amin’izany, fa mahatsara anareo izany, satria ianareo no nanomboka nanao fanangonana, ary ianareo rahateo no nanapa-kevitra ny hanao izany talohan’ny hafa, hatramin’ny taon-dasa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Torohevitra fotsiny no omeko etoana, ary ampy anareo izany, satria ianareo ihany no voalohany nanomboka sy namorona ity hevitra ity aza, hatramin’ny taona itsy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ambarako aminareo izay hevitro ny amin’izany raharaha izany: mahasoa anareo izany, satria lohalaharana ianareo tsy tamin’ny firotsahana hanao azy fotsiny fa tamin’ny fanapahan-kevitra hanao azy koa.
Malagasy Bible 1865
Ary dia ambarako izay hevitro ny amin'izany, fa mahatsara anareo izany, satria tsy ny fanaovana ihany, fa ny fikasana koa aza dia efa natombokareo teo alohan'ny sasany hatry ny taon-itsy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary dia ambarako izay hevitro ny amin'izany, fa mahatsara anareo izany, satria tsy ny fanaovana ihany, fa ny fikasana koa aza dia efa natombokareo teo alohan'ny sasany hatry ny taon-itsy.