2 Corinthians 8:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tanteraho hatramin’ny farany ary izany, koa tahaka ny fahazotoanareo tamin’ny famolavolana ny asa dia aoka koa ho tahaka izany ny fanatanterahana azy, araka izay anananareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa tanteraho àry ny asa ankehitriny, ary aoka tsy ho latsaka noho ny hafanam-ponareo nikasa azy ny fanatanterahanareo azy araka izay anananareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankehitriny kosa dia tontosay ny fanaovana azy. Nanana risi-po ianareo raha nanapa-kevitra hanao azy, ka dia aoka hanana risi-po tahaka izany koa hanatontosa azy araka izay anananareo.
Malagasy Bible 1865
Ataovy tanteraka ary izany, ka tahaka ny nahazotoanareo fony nikasa, dia aoka ho tahaka izany koa ny hahatanterahanareo azy araka izay ananareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tanteraho hatramin’ny farany ary izany, koa tahaka ny fahazotoanareo tamin’ny famolavolana ny asa dia aoka koa ho tahaka izany ny fanatanterahana azy, araka izay anananareo.
malagasy
Ataovy tanteraka ary izany, ka tahaka ny nahazotoanareo fony nikasa, dia aoka ho tahaka izany koa ny hahatanterahanareo azy araka izay ananareo.