2 Corinthians 8:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary tsy izany ihany fa efa notendren’ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fanomezana izao ka ataonay ho naman’ny asa fanompoanay izany, ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon’ny fahazotoanay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
sy efa voatendrin’ny Eglizy koa hiray dia aminay amin’izao fahasoavana iasanay izao, mba ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon’ny fahazotoanay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary tsy izany ihany, fa notendren’ireo Fiangonana mba hiara-dia aminay koa io rahalahy io amin’izao asa fanasoavana ilofosanay izao, ho voninahitr’Izy Tompo ary ho mariky ny risi-ponay hanasoa ny hafa.
Malagasy Bible 1865
ary tsy izany ihany, fa efa notendren 'ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fahasoavana izao, izay angoninay ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon'ny fahazotoanay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary tsy izany ihany fa efa notendren’ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fanomezana izao ka ataonay ho naman’ny asa fanompoanay izany, ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon’ny fahazotoanay.
malagasy
ary tsy izany ihany, fa efa notendren'ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fahasoavana izao, izay angoninay ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon'ny fahazotoanay. [ Na: Nofidina tamin'ny fananganan-tanana] [ ataonay amin'ny fanompoanay]