2 Corinthians 8:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa tamin’ny fahoriana be izay nizahan-toetra azy no nitomboan’ny hafaliany, ary ny hamafin’ny fahantrany no nampitombo ny harenan’ny fahalalahan-tanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Na dia lehibe aza ny fahoriana nizahan-toetra azy, dia feno hafaliana izy ireo; ary na dia lalina aza ny fahantrana nahazo azy, dia nahafoy harena be tamin-katsoram-po izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Voasedra mafy tamin’ny fahoriana nahazo azy ny mpino, kanefa lehibe tokoa ny hafaliany ary nahafoy mihitsy izy ireo tamin’ny famoriam-bola, na dia tena mahantra aza.
Malagasy Bible 1865
fa tamin'ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan'ny hafaliany, ary ny hamafin 'ny fahantrany no nampitombo ny hitsim-pony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa tamin’ny fahoriana be izay nizahan-toetra azy no nitomboan’ny hafaliany, ary ny hamafin’ny fahantrany no nampitombo ny harenan’ny fahalalahan-tanany.
malagasy
fa tamin'ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan'ny hafaliany, ary ny hamafin'ny fahantrany no nampitombo ny hitsim-pony. [ Gr.halalin'] [ Na: fahafoizany]