2 Corinthians 8:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nirahinay niaraka tamin’ireo ilay rahalahinay izay hitanay matetika fa mazoto amin’ny zavatra maro; ary ankehitriny dia vao mainka mazoto kokoa aza izy noho ny haben’ny fahatokiany anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nalefanay hiaraka amin’izy ireo koa aza ilay havanay iray finoana izay efa hitanay matetika fa mazoto amin’ny zavatra maro, sady vao mainka mazoto kokoa indray amin’izao, noho ny haben’ny fitokiany anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nalefanay hiaraka amin’izy ireo ilay rahalahinay izay efa nosedrainay matetika tamin-javatra maro ka hitanay fa mazoto; kanefa vao mainka mazoto kokoa izy ankehitriny, satria be ny fahatokiany anareo.
Malagasy Bible 1865
Ary nirahinay niaraka tamin'ireo ilay rahalahinay izay efa hitanay mazoto matetika amin'ny zavatra maro; fa ankehitriny mazoto kokoa izy noho ny haben'ny fahatokiany anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nirahinay niaraka tamin’ireo ilay rahalahinay izay hitanay matetika fa mazoto amin’ny zavatra maro; ary ankehitriny dia vao mainka mazoto kokoa aza izy noho ny haben’ny fahatokiany anareo.
malagasy
Ary nirahinay niaraka tamin'ireo ilay rahalahinay izay efa hitanay mazoto matetika amin'ny zavatra maro; fa ankehitriny mazoto kokoa izy noho ny haben'ny fahatokiany anareo.