2 Corinthians 8:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa noho ny fanananareo ny feno amin’ny lafiny rehetra, na amin’ny finoana, na amin’ny teny, na amin’ny fahalalana, na amin’ny fahazotoana rehetra, na amin’ny fitiavanareo anay, dia aoka hanana ny fitiavana feno koa ianareo amin’izao asa fanasoavana izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka ho araka ny fahambonianareo amin’ny zavatra rehetra, dia amin’ny finoana, amin’ny teny, amin’ny fahalalana, amin’ny fahazotoana na amin’inona na amin’inona, ary amin’ny fitiavana anay, no ho fahambonianareo koa amin’ity fahasoavam-piantrana ity.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manam-be tokoa ianareo amin’ny zavatra rehetra: dia amin’ny finoana, amin’ny teny, amin’ny fahalalana, amin’ny fahazotoana isan-karazany, ary amin’ilay fitiavana raisinareo avy aminay; araka izany koa no aoka hahafoizanareo be amin’izao asa soa izao.
Malagasy Bible 1865
Fa araka ny itomboanareo amin'ny zavatra rehetra, na amin'ny finoana, na amin'ny teny, na amin'ny fahalalana, na amin'ny fahazotoana rehetra, na amin'ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin'izao fahasoavana izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa noho ny fanananareo ny feno amin’ny lafiny rehetra, na amin’ny finoana, na amin’ny teny, na amin’ny fahalalana, na amin’ny fahazotoana rehetra, na amin’ny fitiavanareo anay, dia aoka hanana ny fitiavana feno koa ianareo amin’izao asa fanasoavana izao.
malagasy