2 Corinthians 9:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
satria ny fahitana porofo ny toetranareo manao izany fanompoana izany no ankalazany an’Andriamanitra, noho ny fankatoavanareo tamin’ny fanekena ny Filazantsaran’i Kristy sy noho ny fahalalahan-tanana nasehonareo taminy sy tamin’ny olona rehetra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eny, ho hitan’ny maro amin’izao fahafoizana ataonareo izao fa olona voazaha toetra tokoa ianareo, ka hankalaza an’Andriamanitra izy noho ny fanoavanareo manaraka ny Evanjelin’i Kristy, sy noho ny hatsoram-ponareo mampiombona azy sy ny olona rehetra aza amin’ny soanareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Misy vidiny tokoa izao asa fanasoavana izao, ka maro no hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ny fanoavana anehoanareo fa inoanareo ny Vaovao Mahafaly nentin’i Kristy; maro koa no hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ianareo nahafoy be nizara harena tamin-dry zareo any Jodea sy tamin’ny olona rehetra.
Malagasy Bible 1865
satria ny fizahan-toetra anareo amin'izany fanompoana izany no ankalazany an'Andriamanitra noho ny fitananareo tsara ny fanekenareo ny filazantsaran'i Kristy sy noho ny fahazotoanareo amin'ny fiantrana ho azy sy ho an'ny olona rehetra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
satria ny fahitana porofo ny toetranareo manao izany fanompoana izany no ankalazany an’Andriamanitra, noho ny fankatoavanareo tamin’ny fanekena ny Filazantsaran’i Kristy* sy noho ny fahalalahan-tanana nasehonareo taminy sy tamin’ny olona rehetra;
malagasy
satria ny fizahan-toetra anareo amin'izany fanompoana izany no ankalazany an'Andriamanitra noho ny fitananareo tsara ny fanekenareo ny filazantsaran'i Kristy sy noho ny fahazotoanareo amin'ny fiantrana ho azy sy ho an'ny olona rehetra;