2 Corinthians 9:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa fantatro ny fahazotoanareo ary nataoko rehareha tamin’ny Makedoniana ianareo hoe: Efa vonona hatramin’iny taona lasa iny i Akaia, ary ny zotom-ponareo dia nampirisika ny maro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa efa fantatro rahateo ny zotom-ponareo, ary ataoko rehareha aza ny aminareo amin’ny Masedôniana: «Efa vonona hatramin’ny taon’itsy i Akaia» hoy ny filazàko tamin’izy ireo; ka efa namporisika ny maro izany fahazotoanareo izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fantatro manko ny risi-ponareo ka nataoko rehareha ny aminareo teo anoloan’ny Masedônianina; fa hoy aho taminy: «Efa vonona hatry ny taona itsỳ ry zareo any Akaîa!» Nanaitaitra ny maro ny zotomponareo.
Malagasy Bible 1865
fa fantatro ny fahazotoanareo, izay ataoko rehareha ny aminareo amin'ny Makedoniana hoe: Efa vonona hatry ny taon-itsy Akaia, ary ny zotom-ponareo dia namporisika ny maro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa fantatro ny fahazotoanareo ary nataoko rehareha tamin’ny Makedoniana ianareo hoe: Efa vonona hatramin’iny taona lasa iny i Akaia, ary ny zotom-ponareo dia nampirisika ny maro.
malagasy
fa fantatro ny fahazotoanareo, izay ataoko rehareha ny aminareo amin'ny Makedoniana hoe: Efa vonona hatry ny taon-itsy Akaia, ary ny zotom-ponareo dia namporisika ny maro.