2 Corinthians 9:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fandrao, raha toa ka hisy hiaraka amiko ny avy atỳ Makedonia ka hahita anareo tsy mbola vonona dia ho lasa henatra ho anay izany, mba tsy hilazana hoe henatra ho anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tandremo fa raha misy Masedôniana miara-tonga amiko anie, ka mahita anareo mbola tsy vonona, dia henatra lehibe no ahy e - aoka ihany tsy hatao hoe ho anareo, - noho izao fitokiako fatratra anareo izao!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha tàhiny misy tafara-dia amiko ny avy atỳ Masedônia, ka mahita anareo tsy mbola vonona, dia hahamenatra anay izany fahatokianay anareo izany! Aoka tsy hoteneniko ny hoe hahamenatra anareo!
Malagasy Bible 1865
fandrao, raha tàhiny hisy hiaraka amiko ny avy eto Makedonia ka hahita anareo tsy mbola vonona, dia ho menatra izahay (mba tsy hanaovanay hoe, ianareo) noho izany fahatokiana izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fandrao, raha toa ka hisy hiaraka amiko ny avy atỳ Makedonia ka hahita anareo tsy mbola vonona dia ho lasa henatra ho anay izany, mba tsy hilazana hoe henatra ho anareo.
malagasy
fandrao, raha tàhiny hisy hiaraka amiko ny avy eto Makedonia ka hahita anareo tsy mbola vonona, dia ho menatra izahay (mba tsy hanaovanay hoe, ianareo) noho izany fahatokiana izany.