2 Corinthians 9:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noheveriko fa ilaina ny mangataka ny rahalahy hialoha lalana ahy hankany aminareo ka hanomana mialoha ny fanomezana izay efa nanomezanareo toky fa hataonareo, mba ho fanomezana noho ny fahalalahan-tanana izany fa tsy toy ny zavatra noterena hatao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa nataoko fa ilaina ny nangataka ireo havana iray finoana hialoha anay ho atỳ aminareo, mba hampamonona rahateo ny fiantrana nampanantenainareo, sady haha-tena fiantrana azy tokoa, fa tsy ho fahihirana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noheveriko àry fa tena ilaina ny niangaviako ireto rahalahy ireto handeha hialoha ho any aminareo mba hampanomana rahateo ny fanomezana be nampanantenainareo teo aloha; dia ho vonona izany, ka ho fanomezana be tokoa fa tsy ho fanomezana mahihitra.
Malagasy Bible 1865
Koa nataoko fa tsy maintsy mangataka ny rahalahy handeha hialoha ho any aminareo aho ka hahavita rahateo ny fiantranareo izay nokasainareo teo aloha, mba hovitaina toy ny fiantrana izany, fa tsy toy ny fahihirana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noheveriko fa ilaina ny mangataka ny rahalahy hialoha lalana ahy hankany aminareo ka hanomana mialoha ny fanomezana izay efa nanomezanareo toky fa hataonareo, mba ho fanomezana noho ny fahalalahan-tanana izany fa tsy toy ny zavatra noterena hatao.
malagasy