2 Corinthians 9:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa Andriamanitra mahay mampitombo ho anareo ny fahasoavana rehetra mba hanananareo ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, sady hitomboanareo amin’ny asa tsara rehetra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo, ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ilainareo no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hain’Andriamanitra omena mitafotafo anareo ny soa isan-karazany, ka hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ianareo, sady hanana mitafotafo hoentinareo manao asa soa isan-karazany,
Malagasy Bible 1865
Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa tsara rehetra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa Andriamanitra mahay mampitombo ho anareo ny fahasoavana rehetra mba hanananareo ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, sady hitomboanareo amin’ny asa tsara rehetra;
malagasy
Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa tsara rehetra;