2 Kings 1:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa namaly azy i Elia hoe: Raha lehilahin’Andriamanitra tokoa aho dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra ka handevona anao mbamin’ny dimampolo lahy fehezinao! Dia nisy afon’Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin’ny dimampolo lahy feheziny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy ny navalin’i Elia tamin’izy ireo: «Raha olon’Andriamanitra aho, aoka hilatsaka avy any an-danitra ny afo handoro anao sy ny dimampolo fehinao.» Dia nilatsaka avy any an-danitra ny afon’Andriamanitra, ka nandoro an’io sy ny dimampolo fehiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa novalian’i Elià hoe: –Raha olon’Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo hilatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny miaramila dimampolo fehezinao! Dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ilay manamboninahitra sy ny miaramilany dimampolo.
Malagasy Bible 1865
Fa namaly Elia ka nanao taminy hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra ka handevona anao mbamin'ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afon'Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin'ny dimam-polo fehiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa namaly azy i Elia hoe: Raha lehilahin’Andriamanitra tokoa aho dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra ka handevona anao mbamin’ny dimampolo lahy fehezinao! Dia nisy afon’Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin’ny dimampolo lahy feheziny.
malagasy