2 Kings 1:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mbola naniraka mpifehy dimampolo hafa indray koa, mbamin’ny dimampolo lahy feheziny ny mpanjaka. Dia niakatra ilay mpifehy dimampolo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan’i Elia sady nifona taminy hoe: Miangavy anao re aho, ry lehilahin’Andriamanitra ô, aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko sy ny ain’ireto mpanomponao dimampolo ireto!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola naniraka mpifehy dimampolo fahatelo io, ka rehefa tonga dia nandohalika teo anatrehan’i Elia, ary niteny taminy tamim-pitarainana hoe: «Ry olon’Andriamanitra ô, mihanta aminao aho, aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko sy ny ain’ireto dimampolo lahy mpanomponao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mbola nalefan’ny mpanjaka koa ny manamboninahitra iray hafa miaraka amin’ny miaramila dimampolo. Dia niakatra ny tendrombohitra ilay manamboninahitra; rehefa tonga izy, dia nandohalika teo anatrehan’i Elià ka nitalaho taminy nanao hoe: –Ry olon’Andriamanitra ô, mba tsimbino re ny aiko sy ny an’ireto miaramilako dimampolo ireto!
Malagasy Bible 1865
Ary dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray koa indray mbamin'ny dimam-polo fehiny izy. Dia niakatra ilay mpifehy dimam-polo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan'i Elia ka nifona taminy nanao hoe: Masìna ianao, ry lehilahin'Andriamanitra ô, aoka ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko sy ny ain'ireto mpanomponao dimam-polo ireto.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mbola naniraka mpifehy dimampolo hafa indray koa, mbamin’ny dimampolo lahy feheziny ny mpanjaka. Dia niakatra ilay mpifehy dimampolo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan’i Elia sady nifona taminy hoe: Miangavy anao re aho, ry lehilahin’Andriamanitra ô, aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko sy ny ain’ireto mpanomponao dimampolo ireto!
malagasy