2 Kings 1:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy izy tamin’ny mpanjaka: Izao no lazain’NY TOMPO: Satria ianao naniraka olona mba hanontany amin’i Baala-Zeboba, andriamanitr’i Ekrona, ka ohatra ny tsy misy Andriamanitra eo amin’ny Israely, dia tsy hidina hiala amin’ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary nilaza taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Noho ianao nandefa iraka hanontany an’i Beela-Zeboba, andriamanitr’i Akarôna: Moa tsy misy Andriamanitra any amin’i Israely izay azo anontaniana ny teniny? -Koa noho izany, dia tsy hidina hiala eo am-parafara niakaranao ianao, fa ho faty mihitsy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nilaza tamin’i Ahazià ny tenin’ny TOMPO hoe: –Satria naniraka olona hanontany an’i Bahala-Zeboba andriamanitr’i Hekrôna ianao, hoatra ny hoe tsy misy Andriamanitra mba azo anontaniana eto amin’i Israely, dia tsy ho tafala eo am-parafara izay nandrianao intsony ianao fa ho faty tokoa.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy tamin'ny mpanjaka: Izao no lazain'i Jehovah: Satria naniraka olona hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianao, hoatra ny tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely, dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy izy tamin’ny mpanjaka: Izao no lazain’NY TOMPO: Satria ianao naniraka olona mba hanontany amin’i Baala-Zeboba, andriamanitr’i Ekrona, ka ohatra ny tsy misy Andriamanitra eo amin’ny Israely, dia tsy hidina hiala amin’ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa.
malagasy