2 Kings 1:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia maty izy araka ny tenin’NY TOMPO izay nolazain’i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy, dia i Jehorama no nanjaka nandimby azy tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Jehorama, zanak’i Josafata, mpanjakan’ny Joda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia maty i Okoziasa araka ny tenin’i Iaveh izay nolazain’i Elia, ka i Jôrama no tonga mpanjaka nandimby azy, tamin’ny taona faharoan’i Jôrama, mpanjakan’i Jodà, zanak’i Jôsafata, fa tsy nanana zanaka izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia maty tokoa araka ny tenin’ny TOMPO voalazan’i Elià i Ahazià; ary satria tsy mba niteraka izy, dia i Jôrama rahalahiny no nanjaka nandimby azy tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Jôrama zanakalahin’i Jôsafata sady mpanjakan’i Joda.
Malagasy Bible 1865
Ka dia maty izy araka ny tenin'i Jehovah izay nolazain'i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy, dia Jorama no nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Jehorama, zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia maty izy araka ny tenin’NY TOMPO izay nolazain’i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy, dia i Jehorama no nanjaka nandimby azy tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Jehorama, zanak’i Josafata, mpanjakan’ny Joda.
malagasy
Ka dia maty izy araka ny tenin'i Jehovah izay nolazain'i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy, dia Jorama no nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Jehorama, zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda.Ary ny asan'i Ahazia sisa izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?