2 Kings 1:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nianjera avy teo amin’ny makarakara teo amin’ny efitrano ambony tao Samaria i Ahazia ka narary. Dia nandefa iraka izy ka niteny taminy hoe: Mandehana, anontanio amin’i Baala-Zeboba, andriamanitr’i Ekrona, na ho sitrana amin’ity aretiko ity ihany aho na tsia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Okoziasa potraka avy eny am-baravarankely makarakara, teo amin’ny efitranony ambony, any Samaria, ka narary. Nandefa iraka izy, ary nanao taminy hoe: «Mandehana ianareo manontany amin’i Beela-Zeboba andriamanitr’i Akarôna raha ho sitrana amin’ity aretiko ity aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro i Ahazià mpanjakan’i Israely dia nianjera avy teny an-davarangan’ny efitrano ambony amin’ny lapany tao Samaria ka naratra mafy. Dia naniraka olona izy hanontany an’i Bahala-Zeboba andriamanitry ny tanànan’i Hekrôna, raha toa ka ho sitrana amin’izao ratra nahazo azy izao na tsia.
Malagasy Bible 1865
Ary Ahazia nianjera avy teo amin'ny makarakara teo amin'ny efi-trano ambony tao Samaria ka narary; dia naniraka olona izy ka nanao taminy hoe: Mandehana, anontanio amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, na ho sitrana ihany aho amin'ity aretiko ity, na tsia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nianjera avy teo amin’ny makarakara teo amin’ny efitrano ambony tao Samaria i Ahazia ka narary. Dia nandefa iraka izy ka niteny taminy hoe: Mandehana, anontanio amin’i Baala-Zeboba, andriamanitr’i Ekrona, na ho sitrana amin’ity aretiko ity ihany aho na tsia.
malagasy