2 Kings 1:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay ka niteny taminay hoe: Mandehana miverina any amin’ny mpanjaka izay naniraka anareo ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Moa tsy misy Andriamanitra va eo amin’ny Israely no mandefa iraka hanontany amin’i Baala-Zeboba, andriamanitr’i Ekrona, ianareo? Noho izany dia tsy hidina hiala amin’ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny navalin’ireo taminy: «Nisy lehilahy niakatra nitsena anay, nanao taminay hoe: Mandehana miverina any amin’ny mpanjaka naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Moa ny tsy fisian’Andriamanitra ao amin’i Israely va no anirahanao hanontany amin’i Beela-Zeboba andriamanitr’i Akarona? Noho izany, tsy hidina hiala eo am-parafara niakaranao ianao, fa ho faty mihitsy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Nisy lehilahy iray nanatona anay sady nanome baiko anay mba hiverina atỳ aminao ka hilaza aminao izao tenin’ny TOMPO izao: «Moa tsy misy Andriamanitra ve any Israely no maniraka hanontany an’i Bahala-Zeboba andriamanitr’i Hekrôna ianareo? Noho izany, dia tsy hiala eo am-parafara izay nandrianao intsony ianao, fa ho faty tokoa!»
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay ka nanao taminay hoe: Mandehana miverina any amin'ny mpanjaka izay naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely va, no maniraka hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianareo? Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay ka niteny taminay hoe: Mandehana miverina any amin’ny mpanjaka izay naniraka anareo ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Moa tsy misy Andriamanitra va eo amin’ny Israely no mandefa iraka hanontany amin’i Baala-Zeboba, andriamanitr’i Ekrona, ianareo? Noho izany dia tsy hidina hiala amin’ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa.
malagasy