2 Kings 1:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpanjaka naniraka olona iray, mpifehy dimampolo, mbamin’ny dimampolo lahy feheziny, mba hankany amin’i Elia. Dia niakatra tany aminy izy ireo ka indro, nipetraka teo an-tampon’ny tendrombohitra i Elia; ary niteny taminy Ralehilahy hoe: Ry lehilahin’Andriamanitra ô, asain’ny mpanjaka midina ianao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niaraka tamin’izay, nirahiny ho any aminy ny mpifehy dimampolo anankiray mbamin’ny dimampolo fehiny. Dia niakatra io mpifehy io, nankeo amin’i Elia, ka indro izy nipetraka teo an-tampon-tendrombohitra, ary hoy izy taminy hoe: «Ry olon’Andriamanitra ô! midìna ianao, hoy ny mpanjaka.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandefa manamboninahitra iray miaraka amin’ny miaramila dimampolo ny mpanjaka mba hisambotra an’i Elià. Ary ireo niakatra terỳ an-tampon-tendrombohitra izay nipetrahan’i Elià. Dia nitenenan’ilay manamboninahitra izy hoe: –Ry olon’Andriamanitra ô, midîna ianao, hoy ny mpanjaka!
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin'ny dimam-polo fehiny hankany aminy. Dia niakatra tany aminy izy; ka indro izy nipetraka teo an-tampon'ny tendrombohitra; ary niteny taminy ralehilahy hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, midìna ianao, antsoin'ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpanjaka naniraka olona iray, mpifehy dimampolo, mbamin’ny dimampolo lahy feheziny, mba hankany amin’i Elia. Dia niakatra tany aminy izy ireo ka indro, nipetraka teo an-tampon’ny tendrombohitra i Elia; ary niteny taminy Ralehilahy hoe: Ry lehilahin’Andriamanitra ô, asain’ny mpanjaka midina ianao!
malagasy