2 Kings 10:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanana zanaka fitopolo lahy tany Samaria i Ahaba. Ary nanoratra taratasy maromaro i Jeho ka nampitondrainy ho any Samaria ho an’ny lehibe any Jezirela sy ny mpitaiza ny zanak’i Ahaba, nilaza hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy zanak’i Akaba fitopolo lahy tany Samaria, ka nanoratra taratasy i Jehò nampitondrainy tany Samaria ho an’ny lehiben’i Jezrahela, dia ny loholona, ary ho an’ny tonian’ny fikarakarana ny zanak’i Akaba, ary izao no teniny:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanan-taranaka fitopolo lahy izay nipetraka tany Samaria i Ahaba. Fa nanoratra taratasy i Jehò mba halefa any Samaria ho an’ireo lehibe mpifehy ny tanàna mbamin’ireo loholona sy ireo mpanabe ny taranak’i Ahaba. Ka hoy i Jehò tamin’ny taratasiny:
Malagasy Bible 1865
Ary nisy zanak'i Ahaba fito-polo lahy tany Samaria. Ary Jeho nanoratra taratasy ka nampitondra iny ho any Samaria any amin'ny mpanapaka any Jezirela dia ho any amin'ny loholona sy ny mpitaiza ny zanak'i Ahaba nanao hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanana zanaka fitopolo lahy tany Samaria i Ahaba. Ary nanoratra taratasy maromaro i Jeho ka nampitondrainy ho any Samaria ho an’ny lehibe any Jezirela sy ny mpitaiza ny zanak’i Ahaba, nilaza hoe:
malagasy
[Ny namongorana ny taranak'i Ahaba sy ny rahalahin'i Ahazia ary ny mpaminanin'i Bala, sy ny nanjakan'i Jeho tamin'ny Isiraely] Ary nisy zanak'i Ahaba fito-polo lahy tany Samaria. Ary Jeho nanoratra taratasy ka nampitondra iny ho any Samaria any amin'ny mpanapaka any Jezirela dia ho any amin'ny loholona sy ny mpitaiza ny zanak'i Ahaba nanao hoe: