2 Kings 10:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa novonoin’i Jeho izay sisa rehetra tamin’ny taranak’i Ahaba tao Jezirela sy ny olo-manankaja rehetra tao aminy mbamin’izay nifandray taminy ary koa ny mpisorony, koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia novonoin’i Jehò avokoa izay sisa rehetra tamin’ny tranon’i Akaba, tao Jezrahela, na ny olom-baventiny rehetra, na ny havany ama-mpisorony rehetra, ka tsy nasiany niangana na dia iray aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nataon’i Jehò maty tao Jizrehela avokoa izay sisa rehetra tamin’ny taranak’i Ahaba mbamin’ireo olom-baventy rehetra mpomba azy ary ny havany sy ny mpisorony; ka tsy nasiany niangana na dia iray aza.
Malagasy Bible 1865
Ka dia novonoin'i Jeho izay sisa rehetra tamin'ny taranak'i Ahaba tao Jezirela sy ny olom-baventy rehetra tao aminy mbamin'ny havany ary ny mpisorony koa, ambara-paha-tsy hisy miangana na dia iray akory aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa novonoin’i Jeho izay sisa rehetra tamin’ny taranak’i Ahaba tao Jezirela sy ny olo-manankaja rehetra tao aminy mbamin’izay nifandray taminy ary koa ny mpisorony, koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
malagasy