2 Kings 10:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Jeho: Sambory velona ireo! Dia nosamboriny ka novonoina teo akaikin’ny lavaka famorian-drano tao Bety-Ekeda izy roa amby efapolo lahy ireo; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Jehò: «Ataovy sambo-belona ireo.» Dia nataony sambo-belona ireo, ka novonoiny tao an-davaka famorian-dranon’ilay trano fivoriana; 42 lahy no isany, ary tsy nasian’i Jehò niangana ireo na dia iray aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Jehò: –Ataovy sambo-belona ireo. Dia nataon’ny naman’i Jehò sambo-belona izy 42 lahy ka novonoiny ho faty teo akaikin’ny lava-pantsakan’i Bety-Hekeda ary tsy nasiany niangana na dia iray aza.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jeho: Sambory velona ireo. Dia nosamboriny ka novonoiny teo akaikin'ny lavaka famorian-drano tao an-trano fivoriana izy roa amby efa-polo lahy ireo, ary tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Jeho: Sambory velona ireo! Dia nosamboriny ka novonoina teo akaikin’ny lavaka famorian-drano tao Bety-Ekeda izy roa amby efapolo lahy ireo; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
malagasy