2 Kings 10:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa niala teo i Jeho dia nahita an’i Jonadaba, zanakalahin’i Rekaba, avy manatona azy. Niarahaba azy izy ary niteny taminy hoe: Mahitsy tahaka ny foko amin’ny fonao va ny fonao? Namaly i Jonadaba hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy i Jeho, dia aoka isika hifandray tanana. Dia natolony ny tanany ka nampiakarin’i Jeho ho eo aminy tao anatin’ny kalesy fitondra miady izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony niala teo izy, dia nifanena tamin’i Jônadaba, zanak’i Rekaba, izay tonga hitsena azy, ka niarahaba azy sy nanao taminy hoe: «Mba tsotra tahaka izany foko aminao izany va ny fonao?» Dia namaly i Jônadaba hoe: «Izany indrindra.» «Raha izany àry», hoy i Jehò, «tolory tanana aho.» Dia natolotr’i Jônadaba azy ny tanany, ka nasain’i Jehò niakatra ho eo anilany teo ambony kalesy izy, nataony hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa niala teo i Jehò, dia nahita an’i Jônadaba zanakalahin’i Rekaba izay tamy nanatona azy. Ary noarahabain’i Jehò izy ka nitenenany hoe: –Mba mahitsy fo amiko tahaka ny tenako aminao koa ve ianao? Ary hoy ny navalin’i Jônadaba: –Eny. Dia hoy i Jehò: –Raha izany àry, dia aoka isika hifandray tanana. Dia nifandray tanana izy roa lahy. Ary nampiakarin’i Jehò teo amin’ny kalesiny i Jônadaba
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa niala teo Jeho, dia nahita an'i Jonadaba, zanakalahin'i Rekaba, avy manatona azy; dia niarahaba azy izy ary nanao taminy hoe: Marina va ny fonao tahaka ny foko amin'ny fonao? Ary Jonadaba namaly hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy Jeho, dia aoka isika hifandray tanana. Dia natolony ny tànany, ka nampiakarin'i Jeho ho eo aminy teo anatin'ny kalesy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa niala teo i Jeho dia nahita an’i Jonadaba, zanakalahin’i Rekaba, avy manatona azy. Niarahaba azy izy ary niteny taminy hoe: Mahitsy tahaka ny foko amin’ny fonao va ny fonao? Namaly i Jonadaba hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy i Jeho, dia aoka isika hifandray tanana. Dia natolony ny tanany ka nampiakarin’i Jeho ho eo aminy tao anatin’ny kalesy fitondra miady izy.
malagasy