2 Kings 10:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tonga tany Samaria i Jeho dia namono izay sisa rehetra tamin’ny tamingan’i Ahaba tany Samaria mandra-paharingany, araka ny tenin’NY TOMPO nolazainy tamin’i Elia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia toy izany no nitondrany azy teny amin’ny kalesiny. Nony mby tany Samaria, dia novonoin’i Jehò avokoa izay tamingan’i Akaba sisa rehetra, ka nataony fongotra mihitsy araka ny tenin’i Iaveh nolazainy tamin’i Elia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga tany Samaria i Jehò, dia nataony maty avokoa izay tamingan’i Ahaba sisa rehetra tao an-tanàna mandra-paharingany, araka ny teny nambaran’ny TOMPO tamin’i Elià.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tonga tany Samaria Jeho, dia namono izay sisa rehetra tamin'ny tamingan'i Ahaba tany Samaria mandra-paharingany, araka ny tenin'i Jehovah izay nolazainy tamin'i Elia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tonga tany Samaria i Jeho dia namono izay sisa rehetra tamin’ny tamingan’i Ahaba tany Samaria mandra-paharingany, araka ny tenin’NY TOMPO nolazainy tamin’i Elia.
malagasy
Ary rehefa tonga tany Samaria Jeho, dia namono izay sisa rehetra tamin'ny tamingan'i Ahaba tany Samaria mandra-paharingany, araka ny tenin'i Jehovah izay nolazainy tamin'i Elia.